Luke 1

1Maro ireo niezaka nanoratra tantara mahakasika ireo zava-nitranga izay tanteraka teto amintsika, 2araka izay efa nanoloran’izy ireo azy tamintsika, izay efa vavolombelona nanatri-maso sy mpanompon’ny teny hatrany am-piandohana. 3Ary amiko ihany koa dia toa mety - rehefa nanadihady tsara ny fandehan’ny zavatra rehetra hatramin’ny voalohany - ny hanoratra tatitra araka ny filaharany ho anao, ry Teofilo mendrika indrindra. 4Izany dia mba hahalalanao ny marina momba ireo zavatra izay nampianarina anao.

5Tamin’ny andron’i Heroda, mpanjakan’ny Jodia, dia nisy iray tamin’ny mpisorona antsoina hoe Zakaria, avy amin’ny antokon’i Abia. Ny vadiny dia avy amin’ny zanaka vavin’i Arona, ary ny anarany dia Elizabeta. 6Samy marina teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, ary nankatoa ireo didy rehetra sy ireo fitsipiky ny Tompo. 7Fa tsy nanan-janaka anefa izy ireo, satria momba Elizabeta, ary samy efa tena antitra ihany koa izy roa ireo tamin’izany fotoana izany.

8Ary izany dia mahakasika an’i Zakaria teo fanatrehan’Andriamanitra, nanatanteraka ireo asan’ny fisoronana araka ny fifandimbiasan’ny isan-tokony. 9Araka ny fomba fanaon’izy ireo ny amin’ny fisafidianana mpisorona izay tokony hanompo, dia voafidin’ny kodia kely hiditra handoro ny emboka manitra ao an-tempolin’ny Tompo izy. 10Tamin’ny ora nandoroana ny emboka manitra dia nivavaka teny ivelany ny vahoaka rehetra.

11Ary nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy ary nitsangana teo ankavanan’ny alitara nisy ny emboka manitra. 12Rehefa nahita azy i Zakaria, dia raiki-tahotra ary heniky ny tahotra izy. 13Fa hoy ny anjely taminy: “Aza matahotra, ry Zakaria, efa nohenoina ny vavakao. Hitoe-jaza lahy aminao Elizabeta vadinao. Jaona no ho ataonareo anarany.

14Hanam-pifaliana sy haravoana ianao, ary maro koa no ho faly amin’ny fahaterahany. 15Satria ho lehibe izy eo imaso’ny Tompo. Tsy hisotro divay na zava-pisotro mahery mihitsy izy, ary ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny izy.

16Maro amin’ny vahoakan’Israely no hitodika amin’ny Tompo Andriamanitr’izy ireo. 17Handeha eo alohan’ny tavan’ny Tompo amin’ny fanahy sy ny herin’Elia izy. Izany no ataony dia ny mba hitodihan’ny fon’ny ray amin’ny zanaka, mba handehanan’ireo izay tsy mankatoa amin’ny lalan’ny fahendren’ny marina - mba hanomanana vahoaka efa vonona ho an’ny Tompo nohomanina ho Azy.”

18Ary Zakaria niteny tamin’ilay anjely hoe: “Ahoana no ahalalako izany? Fa izaho efa anti-dahy ary ny vadiko dia tena efa antitra.” 19Ary hoy ny anjely namaly sy niteny taminy: “Izaho no Gabriela, ilay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra. Ary voairaka aho mba hilaza aminao, hitondra izao vaovao tsara izao aminao. 20Koa indro! Ho moana ianao, ka tsy afaka hiteny, mandra-piavin’ny andro hisehoan’ireo zavatra ireo. Satria tsy nino ny teniko ianao, izay ho tanteraka amin’ny fotoana voafaritra.”

21Ary ny vahoaka sasa-niandry an’i Zakaria. Gaga nohon’ny fijanonany maharitra tao an-tempoly izy ireo. 22Fa rehefa nivoaka izy, dia tsy afaka niresaka tamin’izy ireo. Ary fantatr’ireo fa nahita fahitana izy tamin’ny tao an-tempoly. Nanao baiko moana tamin’ireo izy ary nijanona ho moana. 23Ary rehefa tonga ny andro ahataperan’ny fanompoany, dia lasa nody tany an-tranony izy.

24Taorinan’ireo andro ireo, dia nitoe-jaza Elizabeta ary niafina nandritry ny dimy volana. Hoy izy hoe: 25“Izao no nataon’ny Tompo ho ahy rehefa nitsinjo ahy Izy mba hanala ny henatro eo anatrehan’ny olona.”

26Teo amin’ny faha enim-bolana, dia nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela nankany amin’ny tanàna iray tao Galilia antsoina hoe Nazareta, 27ho any amina virjiny iray izay fofom-badina lehilahy antsoina hoe Josefa. Anisan’ny taranak’i Davida izy, ary ny anaran’ilay virjiny dia Maria. 28Nankeo aminy izy ary niteny hoe: “Arahaba, ry ilay nohasoavina indrindra! Ny Tompo ho ao aminao.” 29Fa tena very hevitra tamin’ny teniny izy nanotany tena hoe karazana fiarahabana toy ny inona izany.

30Hoy ny anjely taminy: “Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita sitraka tamin’Andriamanitra ianao. 31Indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy. Ary ny anarany ho antsoinao hoe ‘Jesosy.’ 32Ho lehibe Izy ary ho antsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida razambeny. 33Ary hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakoba izy, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.”

34Hoy Maria tamin’ilay anjely: “Ahoana no hisehoan’izany, fa mbola tsy niara-nandry tamina lehilahy aho?” 35Ny anjely namaly sy niteny taminy hoe: “Hirotsaka aminao ny Fanahy Masina, ary ny herin’ny Avo Indrindra no ho avy aminao. Ka ilay masina ho teraka dia ho antsoina hoe Zanak’Andriamanitra.

36Indro, Elizabeta havanao dia nitoe-jaza lahy ihany koa na dia tamin’ny fahanterany aza. Efa faha enim-bolana ny azy izao, izy ilay nantsoina hoe momba. 37Satria tsy misy zavatra tsy ho azo tanterahana amin’Andriamanitra.” 38Hoy i Maria: “Indro, izaho no mpanompovavin’ny Tompo. Aoka ho tanteraka amiko izany araka ny hafatrao.” Ary niala teo aminy ny anjely.

39Ary tamin’izany andro izany i Maria dia niainga ka nandeha faingana nankany amin’ny tany avo, any amin’ny tanànan’i Jodia. 40Nankany amin’ny tranon’i Zakaria izy ary niarahaba an’i Elizabeta. 41Ary nony naheno ny fiarahaban’i Maria i Elizabeta, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta.

42Nanandram-peo sy niteny mafy izy hoe: “Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny nateraky ny kibonao. 43Nahoana izany no mitranga amiko fa ilay renin’ny Tompoko no tonga hanatona ahy? 44Fa indro, rehefa tonga teo an-tsofiko ny fiarahabanao, dia nientan-kafaliana ny zaza ato an-kiboko. 45Sambatra izy izay nino fa ho tanteraka ireo zavatra izay nolazain’ny Tompo taminy. “

46Hoy i Maria: “Midera ny Tompo ny fanahiko, 47ary ny fanahiko nifaly tao amin’Andriamanitra mpamonjiko.

48Fa nijery ny fahantran’ny mpanompo vaviny Izy. Ary indro, manomboka izao ny taranaka rehetra hiantso ahy hoe sambatra. 49Satria nanao zavatra lehibe tamiko ilay mahefa ny zavatra rehetra, ary masina ny anarany.

50Fa maharitra ho an’ny taranaka faramandimby izay matahotra Azy ny famindram-pony. 51Nampiseho ny heriny tamin’ny sandriny izy; ary nanaparitaka ireo izay nirehareha tamin’ny eritreritry ny fon’izy ireo.

52Naongany tamin’ny seza fiandrianany ny zanaka lahin’ny mpanjaka ary ireo ambany nasandrany. 53Nataony voky zava-tsoa ireo noana, fa ny mpanan-karena nampodiany tsy nanana na inona na inona.

54Nanome fanampiana an’Israely mpanompony Izy, mba hahatsiarovany haneho famindram-po 55(araka ny nolazainy tamin’ireo raintsika) tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.”

56Nijanona nitoetra tao amin’i Elizabeta tokony ho telo volana i Maria ary avy eo niverina nody tany an-tranony. 57Ary tonga ny fotoana hiterahan’i Elizabeta ny zanany ary niteraka zazalahy izy. 58Naheno ny famindram-po lehibe nataon’ny Tompo taminy ireo mpiara-monina aminy sy ireo havany, ary niara-paly taminy izy ireo.

59Ary tamin’ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy ireo. Saika ho antsoin’izy ireo hoe “Zakaria,” araka ny anaran-drainy izy. 60Fa ny reniny kosa namaly ary niteny hoe: “Tsia. Jaona no hiantsoana azy.” 61Ary hoy ireo taminy: “Tsy misy amin’ny havanao antsoina amin’izany anarana izany.”

62Nanao baiko moana tamin’ny rainy izy ireo ny amin’ny tiany ho atao anarany. 63Nangataka solaitra fanoratana ny rainy ary nanoratra hoe: “Jaona no anarany.” Ary dia gaga tamin’izany izy rehetra.

64Ary niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany ary nafahana ny lelany. Niteny izy ary nidera an’Andriamanitra. 65Tonga teo amin’ireo rehetra nanodidina azy ireo ny tahotra. Ary niely eraky ny tanàna avon’i Jodia ny zava-niseho rehetra teo. 66Ary ireo rehetra nandre ireo dia nandray ireny tao am-pony, ary nilaza hoe: “Ho lasa inona ary ity zaza ity?” Fa momba azy ny tanan’ny Tompo.

67Ary feno ny Fanahy masina i Zakaria rainy ary naminany, ka nilaza hoe: 68“Deraina anie ny Tompo, Andriamanitr’Israely, fa tonga nanampy sy nanatanteraka ny fanafahana ho an’ny vahoakany Izy.

69Nanandratra avo ny tandrom-panavotana ho antsika ao an-tranon’i Davida mpanompony Izy, 70tahaka izay nolazainy tamin’ny vavan’ireo mpaminany masina tamin’ny andro taloha tany. 71Hitondra famonjena amin’ny fahavalontsika sy amin’ny tanan’ireo rehetra mankahala antsika Izy.

72Izany no hataony dia ny mba hampisehoana ny famindram-po amin’ireo raintsika sy hampatsiahivana ny fanekem-pihavanany Masina, 73dia ilay fianianana nolazainy tamin’i Abrahama raintsika. 74Nianiana ny hahazoantsika, rehefa afaka tamin’ny tanan’ny fahavalontsika, manompo Azy tsy amin-tahotra, 75am-pahamasinana sy am-pahamarinana eo anatrehany amin’ny androntsika rehetra.

76Eny, ary ianao, ry zaza, dia ho antsoina hoe mpaminanin’ny Avo Indrindra, fa handeha hialoha ny tavan’ny Tompo ianao ary hanamboatra ny lalany, mba hanomana ny olona ny amin’ny fiaviany, 77mba hanome fahalalam-pamonjena ho an’ny olony amin’ny alalan’ny famelana ny helok’izy ireo.

78Izany no hiseho dia nohon’ny famindram-po masin’ny Andriamanitsika, nohon’ny amin’izany no hiposahan’ny masoandro avy amin’ny avo mba ho avy hanampy antsika, 79hanazava an’ireo izay mipetraka ao anatin’ny haizina sy ireo ao anatin’ny aloky ny fahafatesana. Hataony izany mba hitarihana ny tongotsika amin’ny lalam-piadanana.”

Ary ny zaza dia nitombo ary tonga nahery amin’ny fanahy, ary tany an’efitra izy mandra-piavin’ny andro hisehoany ankarihary amin’Israely.

80

Copyright information for PltULB